• Mbola tsy mifarana ny ady hevitra momba ny fitrandrahana hataon'ny Base Toliara, na dia efa nidina ifotony nanazava sy niresaka tamin'ny alalan'ny lahateny mivantana tamin'ireo olona mandà ny tetikasa aza ny Filohan'ny Repoblika... • Mahantra manampy ny mahantra. Nanao ezaka ho an'ny taon-jobily  2025, ireo vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro, ka nahangona vola 30 tapitrisa Ariary... • Omena sehatra hampahafantarana ireo asam-pikarohana sy voka-pikarohana ao aminy, ireo oniversitem-panjakana manerana ny nosy, araka ny tinapaky ny COPRIES, izay rafitra ambony manapaka ny fiainan'ny oniversite...

♦ Nanamarika ny taon-jaobily 2025 ny teny amin'ny Nonciature omaly. Fotoana nifampiarahaban'ireo Corps Diplomatiques tamin'ny nahazoana ny Papa vaovao... ♦ Ny Faritra Diana ao Nosy-Be indray no handray ny filan-kevitry ny ministra amin'ity anio ity, taorian'ny tany Mahajanga sy Toliara. Isanyho resahina mandritra izany ny olan'ny famatsiana herinaratra misy any an-toerana... ♦ Ilaina fanazavana ny teti-bolam-panjakàna hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy voatery tsy maintsy hisy fanovana entina ny LFR, araka ny lalàna hoy ny solombavambahoaka sady mpahay lalàna Imbiky Herilaza...

Ny reny no akaiky sy maharaka indrindra ny fiainan'ny zanaka indrindra ny fianarany. Ny reny dia feno fanekena : nanaiky ny ho vady ary nanaiky ho reny, nitondra 9volana an-kibo ; ny reny dia misy fifamatorana amin'ny zanaka. Mitebiteby sy mihevitra hatrany ny fianaran'ny zanany ny reny ; afaka mamarana amin'ny fomba mahomby kokoa ny taom-pianarana miaraka amin'ny zanany ny reny, famerenan-desona, fanomanana fanadinana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦Mihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'Antananarivo sy ny manodidina, haharitra 15 andro any ho any ny ho faharetan'izay, ka mahatratra ora 2 na 3, isaky ny faritra voakasika... ♦ Hiantso fihaonana mivantana amin'ny birao maharitra eo anivon'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka mpanohitra, nahemotra amin'ny fotoana tsy mbola voafaritra ny lahadinika naroson'izy ireo... ♦ Laharana fahatifo aty Afrika amin'ny famokarana tantely i Madagasikara, mamokatra tantely 3.000-4.000 taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika nivoaka ny taona 2023...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...