25 taona nilofosana tamin'ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny teny ambanivohitra ny mpikambana ao amin'ny KOLOHARENA. Ny fikambanana KOLOHARENA izay fantatra tamin'ny fanapariahana ny famokarana miaro ny tontolo iainana. Nivohy sy nanaparitaka ilay vary atao hoe "DISTA" teto Madagasikara ihany koa.

• Ho sahirana ireo zatra ny lalan-dririnina tamin'ny fanodikondinana ny vola tamin'ireny tetikasa novatsian'ny USAID ireny, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Rakotoson Dany Herintsoa... • Mafampana ny any Vatomandry manoloana ny fihetsiketsehana nanoherana ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana sy Mpanolotsaina, farany teo. Miisa fito, hatramin'izao, ireo olona nosamborina vokatry ny filaharana... • Efa nihazo an'i Frantsa ireo dimy mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny fifaninanana amin'ny taranja tsipy kanetibe PPF...

Manoloana ny zava-misy ankehitriny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro dia miatrika fanamby maro ny firenena Malagasy. Anisan’ny vahaolana mahomby sy maharitra hiatrehana izany ny fambolen-kazo, izay sady manamaintso ny tontolo, no antoky ny fahasalamana, ary indrindra mitsinjo ny ho avin’ireo taranaka... Entanina ny rehetra mba hampahafantarana ireo singa sy rafitra rehetra tsara ho fantatra mba ho tena mamboly hazo tokoa fa tsy manatsatoka, Tsy vitan’ny olo-tokana na andian’olom-bitsy ny fiatrehana io olana io fa mila ny fiaraha-mientana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

• Notendrena ho Loholon'i Madagasikara avy amin'ny Filohan'ny Repoblika, Ramatoa Rakotondrazafy Lalatiana... • Tsy hangataka lalana amin'ny fivoriana hataony ny RMDM fa hanasa avy hatrany Préfet an'Antananarivo na ny solontenany, mba hanatrika izany... • Manomboka midina ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny fikambanana PMH...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...