• Hitory eny amin'ny filan-kevi-panjakàna momba ny fifidianana ben'ny tanànan'Antananarivo ny antoko TIM sy ny Vovonana Firaisan-kina, Nanao fanambaràna Andiamatoa Marc Ravalomanana androany...
  • Nanao tatitra momba ny asa ho  an'ny taona 2024 androany ny SAMIFIN.  Vola 2 miliara Ariary saika hofotsiana no nogiazan'ity sampan-draharaha ity tamin'ny taon-dasa teo iny...
  • Nankasitrahan'ny Alliance Voahary Gasy ny nafahana nisambotra ireo atidoha saika hanondrana harem-pirenena. Mbola olana goavana ny teti-bola isahànana ny harena voajanahary hoy izy ireo...
  • Nampanantena fanohanana hatrany an'i Israel ny Amerikanina, amin'izao fitondran'ny filoha Donald Trump izao. Nifampiresaka momba izany ny Praiministra israelianina sy ny lehiben'ny diplômasia vaovao any Etazonia...

  • Handray ny asany amin'ny maha ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra azy rahampitso Ramatoa Ramanantsoa Harilala. Hatao eo amin'ny fidasin'ny Lapan'ny tanàna Analakely ny lanonana ametrahana azy ôfisialy...
  • Averina ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina ao amin'ny kaominina Andohan'Ilakaka Distrikan'Ihosy. Izay no didy navoakan'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna Faritanin'i Fianarantsoa...
  • Misedra fahasahiranana amin'ny fambolem-bary ny ao amin'ny lemak'Alaotra. ny 20% maherin'ny tanimbary ao Ambatondrazaka no voaketsa ary raha toa ka 40% izany ho an'ny ao Amparafaravola...
  • Nandefa miaramila miisa 1.500 any amin'ny sisin-tany faritra atsimon'i Etazonia ny fanjakàna amerikanina, ho fiarovana ny sisin-tany amin'ny fidiran'ny mpifindra monina antsokosoko...

  • Anatin'ny fankalazana ny jaobilin'ny tontolon'ny fifandraisana sy ny fivoriamben'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona. Tontosa tao amin'ny Ilot de la Vierge Ampefy omaly ny pelerinazy ho fankalazana ny jôbily araka ny fanentanan'ny Papa François...
  • Niarahaba ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina noho ny taona vaovao ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin'ny FFKM omaly...
  • Miatrika fivoriambe eny Ananinareina ireo mpiantsehatra ao amin'ny ANFA. Isan'ny dinihana ny momba ny famoahana sy fanolorana ny volavolan-dalàna fanorenana ity rafitra ity...

I Masimbavy Émérentienne na Émérance no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 23 janoary. Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Émérentienne, andevo izy, zanak'ilay mpitaiza an'i Masimbavy Agnès. Nibebaka ho kristianina izy noho ny fahitany fiainan'i Agnès izay noraisiny ho toy ny rahavaviny mihitsy. Olona irey ihany moa no nampinono azy mirahavavy ireto.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...