Ny andro 29 septambra no fankalazana ireo Arkanjely Masina, ny tena fantatry ny maro amin'ireo dia Masina Misely, Masina Gabriely, Masina Rafaely... Misy antokony sivy ny Anjely : Anjely tsotra, ny Arkanjely, fa ambonin'ireo dia eo ny Fiandrianana, ny Fahefana, ny Hatsaran-toetra, ny Fanapahana, ny Fiketrahana, ny Kerôbima ary ny Serafima. Misy ny Arkanjely fito izay mijoro manoloana an'Andriamanitra ka Masina Misely no loharahana amin'izany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
I Eva renin'ny velona rehetra dia tandindon'i Masina Maria renin'ny kristiana rehetra. Tsy natao hiara-dalana ny vehivavy sy ny fanahy ratsy, efa fantatra hatrany am-piandohana fa ny vehivavy sy ny taranany no handresy. I Masina Maria sy ny taranany no fampanantenana nambaran'Andriamanitra, an'ireo ray aman-drenintsika lavo tamin'ny fahoatana, fa hanorotoro ny lohan'ny bibilava... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Alahady faha-19 mandavantaona — D — manomàna vatsy sahaza ny mandrakizay ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Tsy maintsy ho tonga ny farandro, ny hanampy antsika hiomana sy hiatrika io fotoan-dehibe io, amin-kafaliana sy fiadanam-po no antony nahatongavan'i Jesoa. Ny fanalahidin'izany hafaliana hihaonana amin'i Jesoa, amin'ny fiverenany fanindroany ety an-tany izany dia ny fahavonona mandrakariva handray azy sy haharetantsika hiasa ho azy satria sambatra ny mpanompo tratry ny tompony miambina fa ny tompo hampandroso azy, amin'ny alalan'ny fahatokisana sy fitiavana azy...
♦ Tsy hankalaza ny tsingerin-taona nijoroany ny RMDM rahampitso alahady 10 aogositra. Milaza ny hanokana ho andro fahanginana ny rahampitso hahatsiarovana ireo maty, noho ny raharaha Ambohimalaza, izy ireo... ♦ Miantso ny hisian'ny fitoniana pôlitika ireo solombavambahoaka sasany mpomba ny fitondràna amin'izao fandraisana ny fivorian'ny SADC eto Madagasikara izao... ♦ Hiakatra kianja hihaona amin'i Tanzania ny BAREA anio alina, anatin'ny CHAN 2025. Mila mitady fandresena amin'ny mpampiantrano isika Malagasy, raha te ho tsara toerana amin'izao fifanintsanana isam-bondrona izao...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco