Sabotsy 25 febroary 2023 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)
Ny fiadanana tian'i Jesoa ampanjakaina eto an-tany dia ny fampahalalana izany atao hoe lanitra izany. Ny lanitra tiana ho lazaina dia ny fisian'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny olombelona ; Andriamanitra manjaka eo amin'ny fianana ; olombelona matahotra an'Andriamanitra amin'izay ataony rehetra ka miezaka manaja ny hafa ary ny natiora, manampy antsika ho sambatra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Zoma 24 febroary 2023 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)
Ny fiadanana tian'i Jesoa omena dia ny fo milamina sy mihavana amin'Andriamanitra. Fon'olombelona manaiky an'Andriamanitra ho Tompo sy mitantana ny zavatra rehetra. Tsy isika olombelona mihitsy no tompon'ny fiainantsika sy mandidy ny fiainana ary mibaiko izany fiainana izany. Rehefa mikomy ny natiora dia sahirana ny olombelona ary sasatra ny miaro tena sisa. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco