Alakamisy 23 febroary 2023 — Alakamisy, manaraka ny Lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 22-25)
Rehefa tafiditra tao am-po sy ny fiainan'ny mpianatra ny "fitiavana sy ny fahamarinana", vao mahazo miteny fiadanana sy miaina izany. Ny fiadanana dia fampanjakana ny fitiavana marina sy ny fahamarinana eto an-tany na inona toerana misy anao : na mpitondra Fanjakàna ianao, na mpitondra Fiangonana, na ray na reny, na zanaka na mpianatra na mpiasa sns. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Alarobia 22 febroary 2023 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)
Taorian'ny fitsanganany ho velona vao nanonona ny teny hoe "fiadanana" i Jesoa Kristy, fa talohan'izay dia tolona ho amin'ny tena fitiavana sy fahamarinana no nataony. Ny fiadanana tian'i Kritsy ampanjakaina eto an-tany dia araka ny fiheveran'Andriamanitra fa tsy ny hevitry ny olombelona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco