Ny fidonanam-poana dia toetra ratsy apetraky ny demony ao anatintsika sy miseho eo amin’ny fahalainana hanao zavatra sy ny hakamoana ka tsy hahafahana miroso amin’ny tsara sy ny fahamasinam-piainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa tsy manao na inona na inona ny olona iray dia misosoka moramora ao aminy ny sain-dratsy, ny asa ratsy ary ny toetra ratsy. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Alarobia 15 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)

Mba hialana fidonana-poana dia mila volavolaina dieny mbola kely ny ankizy. Hoy ny fitenenana hoe: “ny Hazo no vanokolakana dia ny tany naniriany no tsara.” Zarina hitia ny asa dia mbola kely ny ankizy. Marina fa hoe ny fananana finoana dia isan'ny hahazoana famonjena fa ny asa dia tsinontsinona. Kanefa ny tenin'Andriamanitra dia milaza amintsika fa ny finoana tsy misy asa dia maty. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Talata 14 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...