Alahady 16 janoary 2022 — Alahady faharoa mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12

Olona mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra ka miezaka mamaly fitia Azy, amin'ny fanokanan-tena ny relijiozy. Araka ny tenin'i Jesoa hoe : "Ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely" (Mk10,29) no mahatonga azy hanokan-tena, izay vao ny antony hafa toy ny fanompoana ny namana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Sabotsy 15 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 13-17

Maneho ny fahamasinan'i Masina Maria ny fahavirjiniana. Tsy virjiny ara-batana fotsiny izy fa virjiny ara-panahy, hoy i Md Ambroise. MIfototra amin'ny fiarahaban'ny anjely hoe : "arahaba ry ilay feno hasoavana" ny fampianaran'ny Eglizy. feno hasoavana i Masina Maria, izany hoe: tsy voakasaky ny fahotana tamin'ny fototra fa soa daholo ny ao anatiny. Fandaharana momba an'i Masina maria, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...