Alarobia 10 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19

Fiaraha-miasa amin'ny zokiolona : misy harena miafina ao amin'ireny zokiolona ireny, koa amporisihana ny tanora mba hahay hiara-hiasa amin'ireny eo am-panorenana ny ho avy. Raha misy olon-kendry hitanao dia hatony vao maraina ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany.  Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Talata 9 novambra 2021 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao itý trano itý, hoy ny Tompo, hitoeran’ny Anarako mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 19-24

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina ary voa-janahary ho an'ny olombelona ny fiarovana azy. Ny fanatsaharana vohoka na inona inona antony dia fanalan-jaza izany. Fandaharana iresahana ny lalàna moraly sy ny aina, miaraka amin'i P. Séraphin Rafanomezantsoa, Mpampianatra UCM Ambatoroka

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...