Ankehitriny, tonga ny fotoana hanaovan'ny tanora ny "eniny" amin'ny fanorenany ny ho aviny, hoy ny Papa : "tanora toa anareo i Masina Maria tamin'izy nanao "eny" ny amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Midika fandraisana andraikitra izany, midika fahavononana hisedra zava-tsarotra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alakamisy 4 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10
Ho antsika kristiana ny "eny" dia milaza fanekena ny sitrapon'Andriamanitra, ka ny "eny" nataon'i Masina Maria no tonga ao an-tsaina voalohany amin'izany (cf Lk.1,38). Io faneken'i Masina Maria io no faratampony satria fiatombohan'ny asam-panavotana nataon'I Jesoa Kristy teto an-tany. Katesizy momba ny "eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alarobia 3 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evankely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco