♦Mihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'Antananarivo sy ny manodidina, haharitra 15 andro any ho any ny ho faharetan'izay, ka mahatratra ora 2 na 3, isaky ny faritra voakasika... ♦ Hiantso fihaonana mivantana amin'ny birao maharitra eo anivon'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka mpanohitra, nahemotra amin'ny fotoana tsy mbola voafaritra ny lahadinika naroson'izy ireo... ♦ Laharana fahatifo aty Afrika amin'ny famokarana tantely i Madagasikara, mamokatra tantely 3.000-4.000 taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika nivoaka ny taona 2023...

21 mey — Teraka tao Totatiche, diôsezin'i Guadalajara, Mexique ny 30 jolay 1869 i Christophe na i Cristóbal. Magallanes Jara no anarany, pretra izy, nohamasinina tamin'ny 17 septambra 1899 ary isan'ireo martiry 25 tao Mexique.

• Tsy raikitra fa ahemotra amin'ny fotoana manaraka mbola tsy voafaritra ny lahadinika naroson'ny depiote mpanohitra, niantsoana ireo minisitra efatra eny Tsimbazaza. Tsy azo leferina intsony ny fanitsakitsahana lalana ataon'ny mpanao lalana tahaka izao, hoy ny Solombavam-bahoka mpanohitra, Hanitra Razafimanantsoa... • Hiditra amin'ny andiany faha-11 ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny fizahan-tany, na ny ITM, amin'ity taona ity. Hotanterahana ny 12 hatramin'ny 15 jona 2025 etsy CCI Ivato izany... • Tanterahana any Mahajanga androany sy rahampitso ny fikaonan-doham-pirenena sy fifanakalozana momba ny tantely, iarahan'ny Tranoben'ny Tantsaha sy ny FAO mikarakara...

♦ "Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana", izay no tara-kevitra hankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, dia ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenam-pirenena. Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy androany teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny sary famantarana ny fankalazana... ♦ Hitarina sy asim-panavaozana ny trano misy ny Ivon-toeram-pirenena momba ny fizahan-tany sy ny fitantanana ny trano fandraisam-bahiny INTH, eny Ampefiloha... ♦ Hita faty nihatona tamin'ny tady ny ben'ny tanànan'i Bemanonga Morondava teo aloha, Roberto Miadamana... ♦ Misesisesy ny fandraisan'ny Papa Léon-XIV ireo tompon'andraiki-panjakàna vahiny ao Vatican...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...