Ny andro dia isan'ireo fepetra tsy maintsy hajaina araka ny litorjia ; satria ireo mifandraika mivantana amin'ny famonjena dia didina hamasinina, ary ireo daty ireo mihitsy no ankalazana azy fa tsy azo afindra andro hafa. Fepetra takian'ny litorjia ihany koa ny arak'olona : olona maro anefa na olona iray, toy ny Pretra na Relijiozy, dia vavaky ny vahoaka izay, litorjia izay, vavaky ny Eglizy izay, ho an'ny vahoaka. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

31 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 31-35)

♦ Ahena hatrany amin'ny 80% ny délestage eto Madagasikara ato anatin'ny fotoana fohy, ary ho foana tanteraka izany amin'ny taona ho avy, hoy ny Filohan'ny Repoblika, androany... ♦ Miantraika lalina amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivodoza mahery vaika, sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa eto amintsika... ♦ Malaina mametraka ny mangarahara amin'ny teti-bolam-panjakana ny tompon'andraikitra misahana izany eto amintsika, hoy ny Rohy...

♦ Ahiana hihitatra any amin'ny fipoahana ara-tsôsialy ny hetsika mifanesisesy izay hanehoan'ireo mpanjifa ny tsy fisitrahana jiro sy rano avy amin'ny JIRAMA hoy ny mpandinika fiaraha-monina... ♦ Andrasana ny hahatongavan'ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 eny amin'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Renim-pianakaviana iray mpivarotra no maty notifirin'ny jiolahy omaly tao Toamasina... ♦ Tafakatra 30 isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo namoy ny ainy noho ny fanatontosany ny andraikiny any amin'ny tany miady hatramin'ny niandohan'ity taona ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...