Hanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana isika amin'ity herinandro ity. Ny 5 jiona izao ny marimarina kokoa, ary fanamarihana faha – 52, araka ny nametrahan'ny Firenena Mikambana azy ny taona 1973. 52 taona ‘zany izay no nivoizana foana fa tokony arovana ny tontolo iainana. Fotoana iray ny isaky ny 5 jiona, ahafahana manentana ny rehetra hiaro ny tontolo misy antsika.  Anisan’ny loza mitatao ankehitriny ny fako plastika. Miompana amin'izany rahateo ny fanentanana ho an’ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana amin’ity taona ity. Mamotika ny rohy Voahary an-tanety sy an-dranomasina izy ireny. Mihena ny vokatra ara-pambolena, noho ny fiparitahany.

♦ Nomarihina omaly ny andro maneran-tany faha-59 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nampita hafatra ny eo anivon'ny FFKM omaly, nandritra ny fanokafana ny fanamarihana ny faha-45 taona. Hafatra mifantoka amin'ny zava-misy iainana ankehitriny eto amin'ny firenena... ♦ Niova indray nanomboka ny faran'ny herinandro teo ny vidin-tsolika. Fiovaovàna toy ny efa hita nanomboka tamin'ity fiandohan'ity taona ity, ho fampiharana ny fanitsiana ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ Olona 31 no namoy ny ainy, any Rafah, avaratr'i Gaza, omaly Alahady, nisy tifitra tampoka niantefa tamina olona an'arivony...

02 jona — Tovovavy nobaboina i Masimbavy Blandine, maty martiry tao Lyon tamin’ny fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’ny taona 177. Nahery fo tokoa ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nampijaliana azy. Maro ireo namany no tsy nahatanty ny fampijaliana ka niverin-dalana ary nihemotra tamin’ny finoana fa izy kosa dia sahy nijoro hatramin’ny farany.

Ao amin'ny Eglizy Katôlika, orthodoxe, anglikana ary ireo tatsinanana tsy katôlika dia misy Eveka avokoa ary izy ireny dia heverina ho toy ny dimbin'ireo Apôstôly 12 izay vato fototra nanorenan'i Kristy ny Eglizy. Taorian'ny Pantekôty dia nanomboka nitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao izy ireny ary niombona teo ambany fitarihan'i Piera araka ny nanendren'i Kristy azy ho filohany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...