Amin'ny maha-kristiana dia fantantsika tsara fa avy amin'ny fibebahan'ny fo ihany no miantoka ny ho avin'ny fandriampahalemana, satria ny antony miteraka ny ady dia avy amin'ny atifon'ny olombelona ihany. Avy ao am-po no miloatra ireo tenim-pahamarinana izay afaka manafoana ireo aloka manarona ny tontolo mikombona ka ahafahana manangana sivilizasiôna tsara kokoa. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
14 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Madavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
♦ Notanterahana androany teny amin'ny EKAR Antanimena, ny Sorona Masina fitsofan-drano sy fanirahana an'i Mgr Rakotojaona Jean Nicolas, voatendry ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka androany ny andiany faharoa amin'ny fikaonan-doha eo amin'ny fanjakana sy ny mpandraharaha mpisehatra ara-pambolena, na ny Forum B2B. Mampiantrano fihaonana iraisam-pirenena avo lenta momba ny lalam-piariana cacao ihany koa i Madagasikara...
♦ Nomeloin'ny fitsaràna higadra an-tranomaizina 5 taona sazy mihatra, miampy onitra sy lamandy Andriamatoa Rasoamaharo. Nivoaka ny maraina teo ny didy momba ny raharaha hanenjehina ity mpitantana ny La Gazette de la Grande île ity... ♦ Manahy ny VAMI fa sao fandrebirebena tsy hampisy fifidianana amin'ity taona ity ny tsy hanitsian'ny fitondràna ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana. Tsy ho ampy hanomànana fifidianana tsara karakara ny teti-bola ao anatin'ny LFI hoy ity antoko ity... ♦ Hifandona amin'i Ghana eny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny alahady izao ny Barean'i Madagasikara. Miatrika fampivondronana nanomboka omaly ireo mpilalao, izay efa eto an-toerana avokoa ny ankamaroany...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco