♦ Nankalaza ny fetin'ny Sakramenta Masina ny Fiangonana omaly. Fantatra nandritra ny Sorona Masina teny amin'ny kianjan'i Masina Misely Amparibe fa ny 30 jolay izao no hametrahana an'i Mgr Jean de Dieu Raoelison amin'ny fiketrahana ny maha Arsevekan'Antananarivo vaovao azy handimby ny Arseveka Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona... ♦ Notsikerain'ireo antoko pôlitika miisa 5 tao anatin'ny fanambarana iombonana ho tsy manaja ny lalàna ny CENI amin'ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Tsy marina izany fa ara-dalàna tsara ny asa natao hoy ny filohany Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha 85 taonany i Jocelyn Rafidinarivo, mpanao gazety zokiolona...
Hoy ny Papa François : "Eny fa na ao amin'ny Eglizy aza, dia tena ilaina tokoa ny fihainoana sy ny fifampihainoana, izany no fanomezana maimaimpoana sy sarobidy indrindra azontsika ifanolorana". Avy amin'ny fahaiza-mihaino am-pitandremana no teraka ny "fandraisam-pitenenana mendrika". Tena ilaina ny fomba fifaneraserana mandona ny fo toy ny diloilo manasitrana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
12 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)
Ny alakamisy 8 jona no hatsiarovana ny maha maritiry ny Olomasina Jeacques Berthieu, izay vavolombelon'ny finoana. Voatendry ho Arsevekan'Antananarivo i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay handimby an'i Mgr Odon Razanakolona. Ny fetin'ny Sakramenta Masina dia ny 8 jona ihany koa. Ny laïka no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny firenena, koa ilaina ny firotsahan'ny tsirairay indrindra isika kristiana.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco