Tena ilaina ny filaminana satria miteraka filaminan-tsaina, filaminam-po, filaminam-panahy ; mba hitondra fiadanana sy fifaliana eo amin'ny tsirairay, eo amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina, ary rehefa itarina dia hatrany amin'ny firenena...

Satria ao anaty fiaraha-monina ny olona, ka ny soa ho an'ny tsirairay dia mifampiankina amin'ny soa iombonana. Antsoina hoe "soa iombonana" ny fepetra rehetra eo amin'ny fiaraha-monina ka manampy ny isam-batan'olona sy ny fikambanana manontolo hanatratra ny tanjony. Ho an'ny soa iombonana, ny manampahefana dia antsoina hanaja ny zo fototry ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Alakamisy 2 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)

♦ Nandringa ny diplômasia malagasy, noho ny tsy fananan'i Madagasikara masoivoho tany ivelany, hoy ny Andrianjoany matihanina eo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny... ♦ Nifarana ny roa volana nampiharana ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny Filohan'ny Repoblika. Nahitana fihenana hatrany amin'ny 26,36% ny isan'ireo voafonja manerana ny nosy... ♦ Tsy nahazo rariny teo anivon'ny Filankevi-panjakana indray androany, ny Mpanolotsaina monisipaly Clémence Raharinirina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...