♦ Nisy taova tsy hita tao amin'ilay zazalahikely hita faty tao anaty dobo filomanosana tamin'ny hôtely iray tany Morondava. Tsy manaiky ny fianakaviny ka mbola tsy tontosa ny fandevenana... ♦ Mbola mitàna ny laharana faharoa amin'ireo firenena aty Afrika subsahariennes i Madagasikara eo amin'ny fanondranana entana vita amin'ny lamba... ♦ Mahatratra 55km/ora ary arahina tafiotra 65km/ora ny hamafin'ny rivotra any Atsimon'ny nosy hatramin'ny alatsinainy izao. Mila fitandremana noho izany ireo mpiandriaka sy ny mpampiasa ny ranomasina...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja i Mopera Donatien Francis Randriamalala... ♦ Nitory ny gazety Le Monde noho ny vaovao diso momba ny CVO+ ny orinasa Pharmalagasy... ♦ Mitady hielipatrana eto Madagasikara ny kolikoly ara-pananahana ka hanairan'ny Transparency International Madagascar ny olom-pirenena... ♦ Miverina eo ambany fitantanan'i Ukraine indray ny ao Kherson...
12 nôvambra — I Masindahy Josaphat dia Ivan Kountsevitch no tena anarany, teraka tao Volhynie ny taona 1584. Mbola zaza , na sakan-jaza izy tamin'ny fotoanan'ny Union de Brest ny taona 1596. Tamin'izany fotoana izany dia niankina mivantana tamin'i Rome ny ampahan'ny Fiangonana tao Ukraine, izay nanome ny Fiangonana greco-catholique na Église ruthène.
Ny Bokin'ny Detoronomy dia milaza amintsika mazava hoe "henoy ry Israely : ny Tompo Andriamanitrao no hany Tompo Tokana. Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny fanahinao rehetra ary amin'ny herinao rehetra. Mila tia an'Andriamanitra tokana isika, mila mitsaoka Azy ao amin'ny Sakramenta Masina. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco