Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Ara-dalana ny fitakian'i Madagasikara ireo nosy malagasy, hoy ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny laha-teniny tamin'ny fivoriamben'ny firenena mikambana. Manantena ny fanohanan'ny firenena mikambana ny filoha malagasy... ♦ Tratehaky ny polisy ao amin'ny boriborintany fahatelo ny maraina teo teny amin'ny fiantsonan'ny taxi-be Antanimena, ilay lahilahy iray nanaparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera "facebook" ny horonantsary mamoafady ka lasibatra tamin'izany ny vehivavy mpanakanto iray... ♦ Niaiky ny antoko Hiaraka Isika fa nisy ny lesoka amin'izao fitondrana izao saingy tsy tokony hinia hikipy manoloana ireo dingana vitan'ny fitondrana ankehitriny ny rehetra...

22 septambra — Miaramila avy any Thèbes i Masindahy Maurice, ary maty martiry niaraka tamin’ireo miaramila kristianina namany noho ny fiarovana ny finoana. Tamin’ny taonjato fahatelo no voalaza fa vanim-potoana niainan’izy ireo araka ny fitantaran’i Masindahy Eucher.

Mifanampy ny ray sy ny reny, fa tsy ankinina fotsiny amin'ny reny io karazam-panabeazana saropady io. Ny fiovan'ny toe-batany sy ny baraingo mipetraka aminy momba izany fiovana izany, ny tsy hitovizany amin'ny anadahiny ao an-trano na ny zazalahy hitany eny ivelany dia mila valiny marina sahaza ny taonany. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...