23 jolay — Teraka tao Finsta tamin’ny taona 1303 i Masimbavy Brigitte akaikin’i Uppland moa no misy an’izany toerana izany. Zanaky ny governora ao amin’ny faritr’i Uppland izy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanambady an’i Ulf Gudmarson, andriana izy io, izay niterahany valo mianadahy.

Tsy maintsy misy ny vavaka ho an'ny mpitondra fanjakàna ao anaty ny litorjia satria adidy no manery ny rehetra ny manaiky sy manome haja ny mpanam-pahefana, araka izay tokony hatao aminy, araka ny famendrehany, araka ny raharaha ataony. Manana adidy hitondra am-bavaka azy ny vahoaka mba hatontosany ny adidiny. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 23 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30

♦ Miangavy ny fitondrana hanaiky hifampidinika araka ny antson'ny FFKM, ny Hery Pôlitika Mitambatra, raha nanao fanambarana androany... ♦ Mitaky ny hamerenana ny fizarana ny tamberim-bidy izay arotsaky ny orinasa Ambatovy ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ho an'ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana izay tokony hisitraka izany, ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany... ♦ Oniversite 13 no namboarin'ny fitondram-panjakana tao anatin'izay telo taona sy tapany izay, ary sekoly manara-penitra miisa 931 no naorina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...