Ny adidin'ny olom-pirenena : fanasoavana ny mpiara-belona, fandalàna ny marina, fitiavana sy fanompoana tanindrazana, fankatoavana ny fahefana ara-dalàna, fanatanterahana ny asa soa iombonana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 24 jona 2022 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; sady mahalala ny ondriko Aho no fantatry ny ondriko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 3-7
♦ Nanjavona tsy hita ny volamena sy vato sarobidy 36 kilao, tao amin'ny vata fitehirizana eo anivon'ny Minisiteran'ny Harena ankibon'ny tany. Olona am-polony amin'izao no efa nosamborina sy nampidirina am-ponja vonjimaika... ♦ Natolotra ny Fampanoavana tao Morondava indray androany tolakandro, Andriamatoa Ludovic Raveloson na i Leva. Notononin'ny fivoriam-pokonolona ny anarany amin'ny resaka tsy fandriam-pahalemana... ♦ Nafana ny adihevitra tamin'ny asam-baomiera, teny Tsimbazaza androany, nandinihana ilay lalana fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2022...
♦ Hisondrotra 40.000 Ariary ny tambin-karaman'ny sefo fokontany manerana ny nosy araka ny voafaritra ao amin'ny volavolan-dalàna fanitsiana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2022... ♦ Mbola voafidy hitarika ny sendikan'ny mpiasan'ny fadin-tseranana na ny Sempidou indray Andriamatoa Herizo Andrianavalona... ♦ Nitory sefo ZAP miisa roa any amin'ny Cisco Soavinandriana ny solombavambahoaka Razaiarimanana Fiainantsoa noho ny fanosoram-potaka azy momba ny fampidirana mpampianatra ho mpiasam-panjakàna... ♦ Lasibatry ny zera baomban'ny Rosianina ny toby fanangonan-tsakafo miisa roa tany Ukraine...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco