Ny firafitry ny taolana dia ahitana : ilay taolana mafy, misy taola-malemy, misy ozatra mampifandray ary misy tsiranoka mampalefaka ny fifampikasohana amin'ny tonon-taolana. Ny "arthrose" dia fahasimban'ilay taola-malemy "cartilage", vokatry ny asa mafy na noho ny fahanterana na ihany koa faharatrana matetika. Ny faritra andairany matetika : soroka, maoja, lohalika, hatoka, tanana ary ny ankihibe. Ny salan-taona maro voakasiky ny aretina "arthrose" dia eo anelanelan'ny 35 hatramin'ny 50 taona, ny taola-malemy simba vokatr'ity aretina ity dia tsy miverina amin'ny endriny teo aloha intsony.

♦ Manana toerana manokana etsy amin'ny seranam-piaramanidina vaovao ny asa tanana malagasy, notokanana omaly ny toerana natokana ivarotana, ary nanome voninahitra izany ny ministra Sophie Ratsiraka... ♦ Mbola vitsy ny mpanaramason'ny varotra eto Madagasika, misy akony amin'ny asan'izy ireo izany. Isan'ny nivoitra nandritra ny fivoriambe notanterahan'izy ireo teny Ambohimanambola izany... ♦ Mifanitsaka andraikitra sy mampifangaro fahefana ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry any amin'ny Faritra Bongolava araka ny fahitan'ny fiaraha-monim-pirenena FIVATO azy...

♦ Manomana ny fanahiny hiatrehana ny paka eny Mandrimena ireo kristiana mpanao politika. Ny raharaham-pirenena sy ny kristiana manoloana ny herinandro Masina no lohahevitra voaboasana mandritra izany... ♦ Nidina an-dalambe indray omaly ny mpianatry ny oniversiten'Antananarivo teny Ankatso sy ny teny amin'ny ENS Ampefiloha. Niafara tamin'ny fifandonana tamin'ny mponina sy ny mpivarotra ny hetsika notanterahana teny Ankatso.... ♦ Olona 5 no maty tamin'ny tokantrano iray nihinana zava-maniry misy poizana tao amin'ny kaominina Ambalavero distrika Manakara. Tsy misy intsony ny sakafo azo ohanina vokatry ny rivo-doza...

Ny rakitra azon'ny lela mandainga dia rehareha mihelina ho an'ny olona mila faty. Tsy ny "harena" no hany mendrika indrindra amin'ny fananana rehetra. Tsy mahasolo fiadanam-po sy fatahorana an'Andriamanitra ny harena. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...