♦ Mitondra ny anjara biriky amin'ny fanohanana ny tanora ho lasa mpandraharaha amin'ny asa famokarana eny ambanivohitra ny Tambazotra SOA. Notolorana fitaovana entiny miatrika ny tetik'asany ny tanora ao Antanetibe-Mahazaza... ♦ Miditra amin'ny andiany faha-18 ny fiofanana sahanin'ny Friederich Ebert Stiftung ho an'ireo tanora maniry ho lasa mpitarika, niisa 24 mianadahy tamin'ity andiany ity... ♦ Hankalazaina amin'ny 23 marsa ny andro eran-tany ho an'ny toetry ny andro, hanamarika izany isika eto Madagasikara...
♦ Mila tanterahana ny velirano, na teo aza ireo tranga tsy ampoizina, hoy ny filoham-prenena tamin'ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao... ♦ Takian'ny Randrana Sendikaly ny ampitsaharana ny famoaham-bola tsy amin'ny antony ao amin'ny CNaPs. Takian'izy ireo ny hamerenana ny volabe nanenjehana ireo tompon'andraikitra ao amin'ny CNaPs... ♦ Mandrahona hitokona ny sendika SPATUT Antananarivo raha tsy azo ao anatin'ny roa andro ny tambin-karamany...
Ny votoatinny : Miresaka momba ny mpiasa, indrindra ireo mpiasa amin'ny indostria noho izy ireo difotry ny fahantrana tsy hay leferina ; fitakiana zo : zo hanan-javatra manokana, zon'ny osa, hasin'ny mahantra sy ny adidin'ny manan-katao. Nitaky fomba vaovao sy fandraisana andraikitra ho an'ny Eglizy. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alakamisy 17 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco