Nahazoana vokatra miabo ny tetik'asa SANBONAI, niompana tamin'ny fiantohana ara-tsakafo sy fanjariantakafo tao amin'ny Faritra Bongolava, Analamanga ary Itasy. Tetik'asa nandritra ny telo taona mahery, notanterahan'ny AFDI, Fikambanan'ny tantsaha Frantsay sy ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena, ny ANAE, Fikambanam-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny Réseau SOA, Tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra...

• Hikatona rahampitso 15 febroary ny fisoratana anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy izay tafiditra ao anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... • Efa nahitana fidinany eo amin'ny 200 Ariary eo ny vidim-bary ankehitriny, raha ny nambaran'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Ravan'ny Bianco ireo tambajotra mpanao hosoka eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola...

Ny fampitàna ny Soatoavina dia loharanon'ny Fanantenana amin'ny fanatsarana ny fiainana. Ny fampitàna ny soatoavina dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fananganana tontolo tsaratsara kokoa, satria mamela ny fitsipi-pitondran-tena hampitaina amin'ny taranaka mifandimby. Soatoavina : firaisan-kina, fifnajàna, fihavanana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

• Miroso lalindalina kokoa ny dingana hananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy. Tontosa ny fihaonan'ny mpikamban'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara sy ny Sampan-draharaha misahana izany eo anivon'ny Fiketrahana Masina... • Mbola fitaovan-tserasera manakaiky vahoaka indrindra ny Radio eto Madagasikara. Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Radio... • Nangataka fampiakarana 30% amin'ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina ho an'ity taona 2025 ity ny CTM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...