Teny manambara finoana, fahatokisana, fahavononana hiroso ny teny hoe : "eny", ka vonona hanakambana ny fiainana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny tanora manao "eny" eo am-pirosoana amin'ny ho aviny. Sahia miroso, matokia ny hery omen'Andriamanitra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Zoma 12 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37
♦ Antsasak'adiny mahery izay no mizotra any Cotonou ny lalao eo amin'i Bénin, mpampiantrano sy ny Barean'i Madagasikara... ♦ Naiditra am-ponja vonjimaika ireo miaramila 12 lahy voasaringotra amin'ilay raharaha famonoana tovolahy kely tetsy amin'ny BANI Ivato. Nanazava ny momba ity raharaha ity androany, ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Handatsahana orana artifisialy ny tananan'i Fianarantsoa, noho ny olana amin'ny famatsiana rano any an-toerana. Feno nanomboka androany ny fepetra ho amin'izany, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano...
♦ Voafidy hitantana ny Fivondronamben'i Evekan'i Madagasikara manomboka izao ny Evekan'i Morondava Raharilamboniaina Fabien... ♦ Hotanterahana ny alakamisy 18 novambra izao indray ny dinika politika iarahan'i Madagasikara sy ny vondrona eraopeana. Dinika andiany fahasivy hatao eto Antananarivo... ♦ Ankizy miisa sivy niala tao an-tranon'ny ray aman-dreniny no hitan'ny polisim-pirenena, 13 taona hatramin'ny 16 taona izy ireo...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco