♦ Ahoana no nandraisana ny taona vaovao sy ny votoatin'ireo firarian-tsoa nifanaovana tamin'izany ? ♦ Famantarana sy ny fomba iainana ireo soatoavina kristianina mandritra ity taona ity.

♦ Niarahaba ny Filoham-pirenena noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin'ny FFKM... ♦ Nihaona tamin'ny solontenan'ny Masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, ny Vondrona Panorama. Mangataka fanampiana hisian'ny lalam-pifidianana tsy azon'ny mpitondra ovaina araka izay mahamety azy, izy ireo... ♦ Manao fanadihadiana manokana momba ny firehetana nitranga tamin'ny milina mamokatra herinaratra tao Andekaleka farany teo, ny Minisiteran'ny Fitsarana...

Mitaky fandaminana sy fifampifehezana tahaka ny amin'ny fiaraha-monina rehetra ny fiainan-drelijiozy, mila mpandrindra, mitaky fanekena. Ho an'ny relijiozy, ny fanekena dia sitrapon'Andriamanitra ; hoy i Md Paoly : " aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-panjakàna...". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Zoma 7 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 12-16

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...