♦ Nanokafana fanadihadiana manokana ilay firehetana nitranga tany amin'ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka. Mampiahiahy ny zava-misy, ka olona efatra no efa nohenoina, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany... ♦ Nihaona tamin'ny Masoivoho frantsay eto amintsika androany ny Vondrona Panorama. Noresahana betsaka ny toe-draharaham-pirenena, indrindra ny momba ny fifidianana... ♦ Nitarina amina faritra dimy hafa, ankoatra an'Analamanga, ny fihemoran'ny fidiran'ny mpianatra any an-tsekoly. Namoaka naoty mifandraika amin'izany ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany...

♦ Nahemotra ho amin'ny 17 janoary ihany koa ny fidiran'ny mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony, manoloana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19... ♦ Hanao fanadihadiana momba ny firehetran'ny fitaovana tany Andekaleka, andro vitsy lasa izay ny fanjakana, ary toa izany ihany koa ny amin'ny fahatapahan'ny herinaratra tany Toliara ny faran'ny taona teo... ♦ Niantso ny mponina eny ambanin'Ampamarinana sy ny manodidina, hiala amin'izany toerana izany ny BNGRC...

Ny olom-banona dia izay manisy hasina ny fifandraisana eo amin'ny maha samy olombelona, ary ao anatin'izany ny fanajana ny soatoavina. Ny maha olom-pirenena kosa dia ny fanatanterahana ny zo omen'ny lalana rehefa feno valo ambin'ny folo taona...

♦ Tontosa omaly teny Iavoloha ny fiarahaban'ireo Andrim-panjakana ny Filoham-pirenena mivady. Taonan'ny asa ity taona ity, hoy ny Filoha Andry Rajoelina... ♦ Tsy nankasitraka ny teny midina navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena nanemotra ny fidiran'ny mpianatra eto amin'ny Faritra Analamanga, ho amin'ny 17 janoary ny Vovonam-pikambanan'ny Sekoly tsy miankina... ♦ Manentana ny mponina eny ambanin'Ampamarinana sy ny manodidina hiala izany toerana izany ny BNGRC. Nametraka saina mena tamin'ireo trano sy faritra tandindomin-doza indray izy ireo omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...