Misedra fanamby maro ny tanora amin'izao fotoana izao. Mba ho afaka hiatrika izany dia ilaina ny fahaizana miaina ao anaty tontolo manaja ny soatoavina mifototra amin'ny fanabeazana lalim-paka, miaina ny maha-kristianina. Manana anjara toerana lehibe ny fanabeazana fony fahazaza ao anatin'izany fa eo ihany koa ny fanabeazana eny an-tsekoly sy ny fiaraha-monina. Mba ho tanora hafa kely tsy hanara-drenirano fa handanjalanja ny zavatra atao... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
I Masindahy François de Sales no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 24 janoary toa izao. Teraka ny 21 aogositra 1567 tao Savoie avarat'i Annecy i François de Sales. Miaramila tao amin'ny tafika mpiaro an'i François Voalohany mpanjakan'i France ny rainy ary i Françoise Sionnaz no reniny.
Mila finiavana ny vavaka, tsy tokony ho kivy, izay no atao hoe tolona amim-bavaka. Ny sitrapon'Andriamanitra no ezahina katsahana anatin'ny vavaka. Ny vavaka dia mampisy ny fanantenana toy ilay vehivavy narary an-taonany maro izay tsy nahitam-panafana anefa sitrana noho ny vavaka sy ny finoana... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco