14 mey 2025 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)
♦ Notemorin'ny mpitandro filaminana maro dia maro androany ny teo anoloan'ny lapan'ny tanàna Analakely. Olona 40 teo ho eo anefa no nametraka fehezam-boninkazo teny an-toerana nahatsiarovana ireo maty vokatry ny tolom-bahoaka ny 13 mey 1972... ♦ Velaran-tany aman'arivony Hektara no bodoan'olom-bitsy ao amin'ny faritra afovoany misy ny faritr'alan'ny Orinasam-panjakàna Fanalamanga... ♦ Mametraka ho zava-dehibe ny fitazomana ny fifandraisana amin'ny vahoaka sy ireo tompon'andraikitra eny ifotony hametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny Polisim-pirenena...
♦ Feno 53 taona katroka androany ny raharaha 13 mey 1972. Mby aiza ny firenena, taorian'ny hetsi-bahoaka tamin'izany, izay nampirodana ny Repoblika Voalohany... ♦ Tokantrano 2.500.000 isa no kendrena ho voarakitra anatin'ny Rejisitra ara-tsôsialy tokana amin'ity taona 2025 ity... ♦ Hampiantrano fanintelona misesy ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy i Madagasikara. Hotanterahana ny volana Jona izao izany, hoy ny Filohan'ny Federasiôna... ♦ Nisy ny tatitra nivoaka momba ny fianjeran'ilay fiaramanidina MH17 avy eny amin'ny habakabak'i Ukraine, tamin'ny taona 2024...
Ny "RANGO" dia karazan-dahabolana malagasy, mifamatotra amin'ny fomba sy riba indraindray. Isan'ny fotoana hisehoan'ny RANGO ny riba "Forazaza", ny lalao ara-panatanjahan-tena "Moraingy". Ny olona mpanao ny "RANGO" dia mety ho vondron'olona, tarika, fokonolona. Ny votoatin'ny rango dia mifantoka amin'ny loha-hevitra iray, anefa raha hifamalianà tarika dia mety ho loha-hevitra hafa no raisin'ny mpifanandrina, arakaraky ny toe-java-misy. Ny RANGO dia atao tsy misy zava-maneno miaraka aminy matetika...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco