♦ Tsy manana olana amin'y hanomezana ny taratasy fanamarinana fandoavan-ketra ho an'ny filoha telo aloha Marc Ravalomanana rehefa mahaloa ny hetra tokony haloany amin'ny Fanjakàna ny tenany hoy ny Ministry ny Vola sy ny Fitantanam-bola... ♦ Ho fantatra anio hariva farafahatarany ny fahafahan'Andriamatoa Ravalomanana Marc, mirotsaka ho fidiana ben'ny Tanàna an'Antananarivo na tsia, fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga izao sakatsakana izao hoy ny solombavambahoaka Siteny Andrianasoloniaiko... ♦ Kolotsaina sy ny asa tanana isany misarika ny mpizahan-tany ho tonga eto Madagasikara, antony nanaovana ny hetsika fampirantiana Bon Baiser de Tanà etsy Ivato...

Ny lehilahy sy vehivavy mivavaka dia mikatsaka ny ho irery sy ny fahanginana, tsy hoe mba tsy hoelingelinina fa mba hihaino tsara kokoa ny feon’Andriamanitra. Na iza na iza dia afaka mandondòna eo am-baravaran’ny olona mivavaka ary mahita ao aminy ny fo feno fangorahana, izay mivavaka tsy manilika na iza na iza. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

18 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

♦ Nanambara androany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, fa noho ny taratasy fanomezan-toky ny handoavany ireo hetra mbola tsy voaloany, nataon'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2023, no nahafahany nirotsaka ho kandidà Filoham-pirenena farany teo... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga ny fanakanana an'Andriamatoa Marc Ravalomanana ho kandidà Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra, hoy ny depiote, Siteny Andrianasoloniaiko...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...