30 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)
♦ Maro ny tranga tsy fanarahan-dalàna sy osoka nandritra ny latsa-bato tamin'ny fifidianana solombavambahoaka androany... ♦ Nilaza ny CENI fa nilamina tamin'ny ankapobeny ny zotram-pifidianana. Voahaja ny naha fifidianana nandraisan'ny rehetra anjara, hoy ny mpandrindra maharitry ny firenena mikambana eto Madagasikara... ♦ Tapaka ny jiro tao an-drenivohitra sy ny manodidina, nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana fanisam-bato izay fahatapahana izay...
♦ Sampana fanaraha-maso SAFIDY : 77,50% ny birao fandatsaham-bato nanaon'izy ireo fanaraha-maso no nisokatra ara-potoana... ♦ Nahitana fiakarany raha nitaha tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana novambra ireo olom-pirenena tonga nifidy ny tapak'andro maraina teo raha ny fanadihadiana natao... ♦ Maro ireo fandikan-dalàna hitan'ny delegean'ny vovonana firaisan-kina tamin'ny faritra sasatsasany teto amin'ny nosy, nandrisika hatrany ny olom-pirenena handeha hifidy anefa izy ireo...
♦ Tanterahina eto amin'ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara anio 29 mey, ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ireo Malagasy ampy taona, mpifidy hatrany amin'ny 11.631.156 no andrasana handray anjara amin'izany... ♦ Manandanja ny safidin'ny tsirairay satria izay no hamaritra ny ho avin'ny firenena, ho tandroana ny tsiambaratelon'ny fifidianana mba tsy hisy teritery sy sakatsakana hoy ny filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Handray ny andraikitra manandrify azy mba hizoran'ny fifidianana solombavambahoaka anatin'ny filaminana manomboka amin'ny andron'ny latsa-bato hatramin'ny fivoahan'ny vokatra ôfisialy eny amin'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny EMMO-NAT...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco