Tokony hihaino ny feon'ny Vahoakan'Andriamanitra ny mpiandry azy : indrindra momba izy iainany, ny fiainam-pinoany amin'ny andavanandro, ny zavatra tsapany ara-panahy. Harena ho an'ny Eglizy izany satria miteny amin'ny alalan'izy ireny ihany koa ny Fanahy Masina. Voaantso hiaina ny fiombonana anatin'ny finoana lalina ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
26 avrily 2025 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)
♦ Miandrandra tombotsoa lehibe ho an'ny firenena tamin'ny nampihatranona ny fihaonana an-tampon'ny COI teto Madagasikara ny eo anivon'ny fitondram-panjakàna. Fandaniam-bola tsy hitondra tombony ho an'ny mpandraharaha Malagasy sy ny tontolon'ny asa malagasy izany hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Tsy azo atao an-tery ny fanaovana ny Dia Fibeazana (Voyage d'Etudes) hoy ny MInisteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Mbola nanakinan'ny mpikambana hitantatana ny Sendikan'ny Indostria Malagasy (SIM) mandritra ny 2 taona manaraka ny filoha amperin'asa, Rasamimanana Tiana...
Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra 2024 ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco