07 mey — Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Flavie, zanak’i Domitilla sy Quintus Petillius Cerialis izy ary dadatoany ny amperora Domitien. Nanambady an'i Titus Flavius Clemens i Flavie ary niteraka roa lahy izy ireo. Samy Titus Flavius no anaran’ireo zanany ireo, teraka ny taona 88 ny voalohany ary ny taona 90 ny faharoa, ka i Quintilien no nanabe an'ireo zanany ireo.

Sady fanomanana ny Vaovao Mahafaly no efa fanomanan'Andriamanitra hanomezany Ilay mazava amin'ny olona rehetra hananany fiainana any am-parany ny fiainana tsara niainan'ireo olona tsy nahalala an'Andriamanitra. Ho voninahitr'Andriamanitra sy ho famonjena izao rehetra izao dia raisin'ny Fiangonana adidy ny mampandroso ny olona sy ny voaary... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Tsy nitsitsy fitenenana amin'ireo ambarany ho mpanakorontana ny firenena, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Filohan'ny Antenimieran-doholona androany, nandritra ny lahateny fanokafana ny fivoriana ara-potoana ho an'ny Antenimieran-doholona... • Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, ilay teratany sinoa nitondra fiara sy nanao lozam-pifamoivoizana teny amin'ny By-Pass, ka nitarika fahafatesan'olona... • 12 volana tao aorian'ny nampiharana ny lalana mifehy ny serasera no tokony nijoroan'ny ANRCM. 5 taona aty aoriana anefa, mbola mikatso eo anivon'ny Governemanta izany...

♦ Nosokafana ny maraina teo ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Niantso ny Governemanta hijery sy hitady vahaolana amin'ny fiainan'ny Malagasy ankehitriny ny filohan'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Mbola zara raha nidina ny vidim-bary eto Antananarivo amin'izao fararano izao. Mbola ahitàna 1.000Ariary ny iray kapoaka eny an-tsena. Miantso ny fampiharan-dalàna ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Mitaky ny hanaovana fanadihadiana mahaleontena momba ny raharaha kôlônely Patrick Rakotomamonjy ny Transparency International Initiative Madagascar...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...