5 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)
♦ Nitohy androany ny fanakatonam-baravarana fampitsaharana ny asa ataon'ireo mpiasan'ny CNaPS manerana ny nosy. Hetsika hitohy mandram-pivalin'ny fitakian'izy ireo, hoy ny “délégués” sy ny sendikan'ny mpiasa... ♦ Namoaka fanamabrana ny Holafitry ny vadin-tany androany, fa mikatona avokoa ny birao fiasan'ny vadin-tany rehetra manerana ny nosy rahampitso... ♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato mandritra ny roa andro ny Vovonam-pirenena ho fankatoavana ny drafi-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana Miabo, na ny PNDE. Nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy ny Filoham-pirenena...
♦ Mila hapetraka ny fitoniana pôlitika vao tokony hirosoana ny fifidianana hoy ny antoko Tamami. Mitaky ny hanovàna ny governemanta, hisokatra amin'ny mpanohitra ity antoko ity, mialohan'ny fifidianana... ♦ Olona miisa 8 no naratra, am-polony nosamborina, vokatry ny hetsika fanoheran'ny andian'olona ny fitrandrahana ataon'ny orinasa QMM any Taolagnaro. Raikitra ny fifandonana teo amin'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana tao Mandena, omaly... ♦ Manahy korontana amin'ny baolina kitra malagasy indray ny K2HB, noho ny toe-javatra misy amin'ny fifidianana filohan'ny seksiôna amin'izao. Tokony hovàna ny rafitra sy ny fomba fifidianana mba hisorohana izany hoy ity kômity ity...
Ny "kapobava" dia avy amin'ny voambolana roa "kapoka" miampy "vava". Ny "kapobava" dia isan'ny mahafeno ny fepetraha maha literatiora sy lahabolana satria hay famoronana niainga tamin'ny lahabolana fanao tao amin'ny Faritra Analanjirofo izy io. Lahatsoratra miendrika tononkalo ny kapobava, mitsikera, manatsikafona ny tsy fahamendrehana ara-pitondran-tena, fiteny, fihetsika, fanao mivaona amin'ny fitsipiky ny fiaraha-monina. Poeta, antsoina hoe Jacques Ulrick no loharano nipoiran'izy ity.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco