30 marsa — I Masindahy Amédée dia teraka tao Thonon ny taona 1435. I Ludovic, Duc tao Savoie no rainy zanak'ilay anti-pape Felix V. Efa hatrany am-pahaterahana i Amédée no nokasain'ny rainy ho vadin'i Yolande de Valois, izay anabavin'i Louis XII, mba hitazonany ny fifanarahana tamin'ny frantsay.
30 marsa 2025 — Alahady Fahefatra amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)
29 marsa — Ny Gladys resahana dia ilay mpanjakavavy sady mpanirery galloise tamin'ny taonjato fahenina. Tamin'izany fotoana izany mantsy i Pays de Galles dia nizarazara ho fanjakana kely bretons, ka nitondra fanjakana iray tamin'ireo i Gwynllyw sy i Gladys vadiny.
29 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco