Misy sivana tokony ho tsarovan'ireo mpanely tsaho sy mpilaza vaovao ireto, izay hatao hoe "test de trois passoires" : voalohany, marina ve ilay resaka tiana ho lazaina ; faharoa, tsara ho an'ny rehetra ve ; fahatelo, ilaina ve ny ampahafantarana ilay vaovao. Raha resaka tsy marina sy tsy mahasoa ary tsy ilaina na ho anao na ho an'ny hafa dia tokony alevina ; tokony mijoro amin'ny fahamarinana hatrany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Vehivavy mitia tanteraka amin'ny fitiavana marina i Maria. Tamim-pirehetam-po sy an-kafaliana, hainy ny nanokana ny fiainany mantolo ho an'Ilay Tena Fitiavana. Rehefa mibanjina azy isika dia haintsika ny manavaka ny tena fitiavana, amin'ireo ankoso-pitiavana sandoka, ary mazava amintsika io lafiny tena manan-daja lehibe amin'ny fiainantsika io, mitaha amin'ny azy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahefatra.

18 mey 2023 — Alakamisy, I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Taona A — Fankalazana manetriketrika — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)

♦ Hatao eto Antananarivo ny 26 hatramin'ny 30 jolay 2023, ny andiany fahatelo amin'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy eto Madagasikara. Notanterahana androany ny fiantsoana ireo ankizy hanatrika ny JNE, avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nampiantrano ny Filankevitry ny Minisitra mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana na ny COI, andiany faha-37, tetsy amin'ny CCI Ivato androany, i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...