♦ Nitokona noho ny olan'ny famatsiana rano efa naharitra dimy volana, ny mpianatra teny Ankatso... ♦ Nanao hetsika fanairana teny Antaninarenina vokatry ny tsy nandraisany ny volany, efa ho telo volana, ireo mpandraharaha mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana... ♦ Mangataka ny hamerenana ny fanadihadiana ireo efa-dahy voasaringotra tamin'ny halatra varira tao Amboasary Atsimo, ny fikambanana Albinos Madagascar...
Ny fivoaran'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly : Azo atao ny mampiasa ny fitaovana môderina rehetra mba entina mampita ny Evanjely. Ny fitaovana môderina toy ny tranokalam-pifandraisana, ny fahitalavitra sy ny onjam-peo, izay tokony hampiasaina ara-drariny fa tsy entina hamotehana ny mpiara-belona na hanimba ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.
Zoma 3 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)
♦ Telo volana tsy nandray vola ireo mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Nanao hetsika fanairana izy ireo androany, rehefa nilazana fa tsy misy vola ny fanjakana fa ny karaman'ny mpiasa no laharam-pahamehana... ♦ Mitaraina ireo mpitatitra entana amin'ny RN-6, fa misy fakana vola atao amin'ny mpamily fiarabe, vao afaka miampita ilay fivilian-dalana alohan'Antsohihy... ♦ Nitokona ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny tranon'ny Oniversite eny Ankatso, noho ny fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny trano fonenana, efa dimy volana mahery izao...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco