♦ Zava-dehibe ny fanomezan-kasina ny Hiram-pirenena sy ny Sainam-pirenena, hoy ireo tompon'andraikitra nanaovana fanadihadiana... ♦ Fotoana hanomezana tso-drano ireo Minisitra tsy nahatratra ny vina napetraky ny Filoha izao, hoy ny fikambanana FITAMA... ♦ Miverimberina indray ny fahatapahan'ny herinaratra, efa ho herinandro izao, any Manakara...

Antsoina isika rehetra hampiseho fangorahana sy halemem-panahy amin’ny marary. Ao anatin’ny traikefan’ny faharefoana sy ny aretina indrindra no ahafahantsika mianatra miara-dia araka ny fomban’Andriamanitra mangoraka sy malemy fanahy.Ilay samaritanina tsara fanahy no ohatra ho antsika amin’ny asa fanompoana tokony hatao: Fihaonana mivantana amin’ny marary, fitsaboana, tranombahiny, ny tompon’ny tranom-bahiny, ny vola, ny fanomezan-toky fa mbola hanome vaovao mikasika ilay marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny ezaka atao mba hiadiana ny fidonam-poana: ilaina ny tia karokaroka. Ny fidonanam-poana mantsy tsy hifanaraka velively amin’ny maha vavolombelona Kristianina. Ohatra velona ho antsika i Masindahy Josefa, Masina Maria, Simeona ary Anna, tamin’ny nanolorana ny Tompo tao tempoly : ny zavatra hita sy tsapa voalohany dia ny fihetsika sy figagana teo amin’izy ireo. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Zoma 17 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...