21 septambra — Ny Matthieu resahana eto dia i Masindahy Matthieu ilay evanjelista. Jody i Matthieu na Matio, teraka tao Capharnaüm izy, tanana avaratra andrefan’ny farihy Génézareth ao Galilée. Zanak’i Alphée izy, ary Lévi no tena anarany. Mpamory hetra no asan’i Matthieu.
Vao teraka ny vehivavy dia efa narafitr'Andriamanitra ho reny. Ka na ny toe-batany na ny toe-tsainy dia efa voavoatra sahady ho amin'izany iraka sarobidy sy masina izany. Arakaraky ny handrosoan'ny taonany ho amin'ny fahamatorana no hiomanany amin'ny fikarakarana tokantrano aoriana kely. Ny ray aman-dreny dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy mba ho reny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alarobia 21 septambra 2022 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13
♦ Miverina manomboka androany 20 septambra ny fahafahana manondrana vatosoa sarobidy any ivelany, araka ny fampahafantarana nataon'ny Minisitry ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Hametra-pialana ireo mpikamban'ny kabinetran'ny Minisiteran'ny Mponina, raha voaporofo ny maha tompon'antoka ny Ministra Princia Soafilira, tamin'ilay raharaha fanapohana solika ; ary manana hatramin'ny rahampitso ilay gazety nilaza izany mba hamoahany ny porofo... ♦ Fianakaviana sahirana sy marefo ara-pivelomana maherin'ny arivo, any amin'ny Distrikan'Andilamena, no nisitraka vary tsinjo avy amin'ny fitondram-panjakana...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco