♦ Raha tsy misy ny fiovana dia ny Alakamisy 17 jona izao no atao ny fametrahana ny vato fototra amin'ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 na ny RN13, mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe-Androy... ♦ Ankora fototra fanaovana rongony mahery vaika, na "cocaïne de base" 18 gony no nodorana tany Tanandava-Toamasina faharoa tamin'ny sabotsy teo... ♦ Analiny ireo Malagasy nisitraka fitsaboana sy fitiliana maimaimpoana nandritra ny Caravane médicale tamin'iny herinandro lasa teo iny, izay nifarana tany Mahambo omaly... ♦ Nahatratra hatramin'ny 50° ny marimpana tany Californie tany Etats-Unis tamin'ny faran'ny herinandro teo...
♦ Miakatra tsikelikely indray ny tahan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Covid19. Avo roa heny avy hatrany noho ny herinandro teo aloha ny tranga vaovao tamin'ny herinandro lasa... ♦ Nampanantsoin'ny eny anivon'ny Bianco hanaovana fanadihadiana anio alatsinainy Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan'ny antenimieran-doholona teo aloha, sady mpandrindra nasionalin'ny antoko HVM... ♦ Efa somary milamindamina ny any amin'ny Faritra Betsiboka ankehitriny, raha nirongatra ny asan-dahalo sy ny fakana an-keriny teo aloha teo... ♦ Any Kénya, vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro dia ny hain-tany misy any an-toerana, anarivony ireo ankizy ahiana tsy afaka hianatra intsony, fa voatery miala an-daharana...
Ny tsy fahampian'ny fihainoana izay matetika iainantsika amin'ny fiainana andavanandro, dia indrisy fa lasa iainan'ny sarambabem-bahoaka ihany koa ka toy izay hifampihaino dia indro isika lasa "miteny ao an-damosin'ny hafa". Maneho io fa aleontsika mitady marimaritra iraisana, toy izay hitady ny marina sy ny tsara ; aleontsika mifantoka amin'ny firesahana toy izay mihaino. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 13 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco