♦ Notokanana sy notsofin-drano tamin'ny fomba manetriketrika ny alahady teo, fetin'ny Md Joseph mpiasa, ny "Co-Cathédrale"-ny diôsezin'i Morondava ao Miandrivazo... ♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana voalohan'ireo Parlemanta mpanao lalàna eto amintsika amin'ity taona ity. Arahin'ny mpanara-baovao akaiky ny mety hisian'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta... ♦ Nampiakarina ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasam-panjakana, manana ny fijeriny ireo sendikà...
Ny fihaonana nisy teo amin'i Jesoa Kristy sy i Zake dia fihaonana niriana, nomanina ary miaro hetaheta lalina. Na efa lehibe àry i Zake dia tsy nahasaka azy izany fa nitady ny fomba rehetra hihaonana amin'i Jesoa Kristy izy ary nivonona ny hibebaka. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 3 mey 2022 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 6-14
Misy teny manandanja tsara atao an-tsaina, izay hamafisin'ny Papa François dia ny hoe: "Fihaonana" "Fihaonana amin'Andriamanitra". Tantara maro ao amin'ny baiboly no miresaka io "Fihaonana" io, isan'izany ny tantaran'i Saoly, izy niova fo sy nibebaka ka tonga ho Paoly. Ny fibebahana izay lalana hiverena amin'ny hasina maha olona. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco