Zoma 29 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15
♦ Nandray anjara tamin'ny fivoriana niarahan'ny parlemanta sinoa sy ny parlemanta aty Afrika i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny teknôlojian'ny fifandraisan-davitra no nanaovana ny fihaonana... ♦ Miditra an-tsehatra amin'ny fiarovana ny zon'ny mpiasa any amin'ny Banky ankehitriny ny randrana sendikaly... ♦ Nahafa-po ny mpanao asa tanana tao Nosy-Be ny fihaonan'izy ireo tamin'ny ministry ny Asa Tanana sy ny Haitao... ♦ Nosazian'ny fitsarana any Birmania 5 taona an-tranomaizina indray ilay praiministra teo aloha, Ramatoa Aung Suun Suki...
♦ Ireo olona tsy mandeha manaho ny safidiny amin'ny andron'ny fifidianana no tokony hahazo tsiny fa tsy ny fanjakàna sy ny mpikarakara, zo izany ary izay no maha olom-pirenena... ♦ Ara-tantara dia efa ela no nisy olona teto Madagasikara fa tantara iniana disoina ny hilazana fa mpiavy ny malagasy... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Tsy fotoana tokony hisian'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta eny anivon'ny Antenimieram-pirenena izao hoy ny solombavambahoaka Rakotoarisoa Johny. Fitsipaham-pitokisana kasaina hatao mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany manomboka amin'ny talata 03 mey izao... ♦ Mitaky ny hirosoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena ho fanatanterahana ny fanorenana ifotony ny fikambanana FIAM. Tsy maintsy hatao izany hoy izy ireo raha tiana ny hamaha ireo olana ara-tsôsialy sy toe-karena misy ankehitriny... ♦ Mitaky karama farany ambany 300.000Ariary ny Randrana Sendikaly. Tsy ampy ny fisondrotan-karama 10% manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana misy ankehitriny...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco