Alakamisy 30 desambra 2021 — Andro fahenina amin'ny havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40
♦ Mampanahy ny tsy fandriampahalemana any amin'ny Disitrikan'Amboasary, ka anaovan'Andriamatoa Maka Alphonse antso avo amin'ny fandraisana andraikitry ny mpitondra... ♦ Taonan'ny asa ho an'ny Faritra Atsinanana ity taona ity, raha ny jery todika nataon'ny Governora any an-toerana... ♦ Hiteraka olana lehibe ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fibodoana tany, ataon'ny olon-tsotra eny amin'ny tanin'ny oniversitem-panjakana...
♦ Mbola tsy nandrenesam-baovao ôfisialy ihany hatramin'izao ny momba ilay volamena 49 kilao tratra tatsy Comores... ♦ Mitaky ny fametraham-pialan'ny Minisitry ny Angovo sy ny Tale Jeneralin'ny Jirama ny Depiote Todisoa Andriamampandry, manoloana ny fahatapahan'ny herinaratra tato ho ato... ♦ Nanameloka ilay fandratrana tovovavy, tamin'ny fomba feno habibiana tany Fenoarivobe, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...
Ilaina ny fanombanana izay vita sy niainana. Tsy tsikeran'izay miiba ihany anefa no atao hoe tombana, noho izany, mitaky toe-tsaina mahitsy sy mila fahaizana ihany koa ny fanaovana tombana mba hitarika ho amin'ny fivoarana.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco