♦ Nivoaka an-dranomasina alina ilay rivodoza Emnati. Maherin'ny 44 000 ny isan'ny traboina noraisina an-tanana teny amin'ny toby... ♦ Noraisin'ny filohan'y repoblika teny Iavoloha omaly ny talen'ny fandraharahana ao amin'ny Banky iraisam-pirenena misahana an'i Madagasikara sy Comores, Mozambika... ♦ Hifarana anio ny atrik'asa fampiofanana ireo tompon'andraikitra amin'ny sehatry ny fanofanana sy fampananana asa iandraiketan'ny Saleziana Don Bosco...

Toy izao no nanehoan'i Kristy ny fahantrany izay tokony hotahafin'ny relijiozy : Nanao tsinotsinona ny fahamboniana nananany teo aloha Izy mba hampanankarena antsika olombelona (2 Kor. 8, 9). Misy toetra roa anehoan'ny relijiozy ny fahatrana : ny firotsahana sy ny fahatokisana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alakamisy 24 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 40-49

♦ Tombanana hivoaka an-dranomasina mialoha ny amin'ny 8 ora alina izao ilay rivodoza Emnati. Nihena ny heriny, ary tany amin'ny Distrikan'i Beroroha izy tamin'ny 6 ora sy sasany hariva teo... ♦ Vitsy ireo mpianatra afaka bakalorea no vonona handray anjara amin'ny fidirana ho taona voalohany ao amin'ny FLSH, eny Ankatso... ♦ Mitaky fifonana ampahibemaso avy amin'ny Solombavam-bahoaka Andry Ratsivahiny, ny Fivondronamben'ny Mpampianatra Fanatanjahan-tena...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...