♦ Fankatoavana maro no natao tanatin'ny filan-kevitry ny ministra notarihan'ny filoham-pirenena, anatin'zany ny fandraisan'ny fanjakàna ny fisahanana ireo hetra sy haba amin'ny fanafarana fitaovana amin'ny fanasoavana ny fiainam-bahoaka mivantana... ♦ Voavaly amin'ny ampahany ny fitakian'ny vondron'ireo sekoly tsy miankina, ho fiomanana amin'ny fiverenana an-tsekoly amin'ny alatsinainy izao... ♦ Efa manomboka mihena ny tahan'ny olona ahitàna ny tsimok'aretina Covid-19 eto Antananarivo...
Antitranterin'ny Konsily Vatikana-II ny fifanankalozan-kevitra eo amin'ny lehibe syny mpikambana entiny. Raha mangataka ny hevitry ny relijiozy iray ny lehibe, dia tsy maintsy milaza aminy ny mety ho olana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alakamisy 13 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45
♦ Niakatra hatramin'ny 60 avo heny ny hetran-trano ao an-drenivohitra izay nofaritan'ny Kaominina Antananarivo. Mila fandinihana ny famaritana ireo tarehim-bola ho amin'izany, hoy ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy amin'ny lisitra Kombà, androany... ♦ Tsy tokony ataon'ny fintondrana resa-be hakana ny fon'ny vahoaka amin'ny fifidianana ilay raharaha famaizana tany Andekaleka, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Voavaly amin'ny ampahany ny fitakian'ireo vondron'ny sekoly tsy miankina eto Antananarivo, ho fiomanana amin'ny fiverenana an-tsekoly...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco