♦ Ho tonga eto Madagasikara amin'ny volana mey ho avy izao ny vakisinin'ny Covid, avy amin'ny fandaharan'asa Covax. Nohamafisina nandritra ny Filankevitry ny ministra fa ny fanjakana irery ihany no afaka manafatra ny vakisinin'ny Covid... ♦ Hanova ny fomba fiasany amin'ny fanatanterahana ny andraikiny ny SAMIFIN. Nahavita fihanianana omaly ny Tale jeneraly vaovao, Rajaoanarison Mamitiana...

Na dia mandalo vanim-potoana sarotra aza dia tadidio fa mbola hisy ny tsirim-panantenana eo amin' ny fiainana. (28-04-2021)

♦ Mila mikatsaka fitoniana sy fanarenana ny toe-karena eto amin'ny firenena ny hery velona tsy an-kanavaka, hoy ny Kômity Miaro ny Soa Iombonana... ♦ Marary miisa 17 no lavon'ny Coronavirus ny talata lasa teo. Miisa 320 kosa ny tranga vaovao...

Ilaina ny manokana fotoana indraindray mba hanaovana loabary an-dasy ka manao tombana ny fiainam-pianakaviana. Ilaina koa anefa indraindray ny mangina ao an-trano ao mba hahafahana miresaka amin’Andriamanitra bebe kokoa.  Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...