Noho ny finoana an’Andriamanitra no hanoloran-tena handray an’ireo sakramenta ireo. Finoana izay misy vokany eo amin’ny fiainana andavanandro. Mila resy lahatra amin’ny herin’ireo Sakramenta ireo ny olona vao azo lazaina fa manam-pinoana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Talata 27 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30
♦ Manoloana ilay fanapahana nampiatoana andiam-pandaharana amin'ny haino aman-jery maromaro, dia samy nametraka fitoriana teny amin'ny Filankevi-panjakana androany, na ny mpisolovava ireo haino aman-jery voakasika, na ireo fiaraha-monim-pirenenana, na ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety amin'ny anaran'ny OJM... ♦ Vonona hanome tanana amin'ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19 ireo ray aman-dreny am-panahy avy amin'ny Fiangonana maro eto amintsika ka hankahery sy hitondra am-bavaka ireo marary any amin'ny CTC, hôpitaly sy ireo toerana samihafa handraisana marary...
♦ Manao ranolava ny fanambarana avy amin'ny fikambanana samihafa sy ny antoko pôlitika, tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, nampiato ireo fandaharana amin'ny haino aman-jery tsy miankina eto an-drenivohitra. Manameloka ny fanapahan-kevitra ny antoko HVM... ♦ Voahosihosy ny fahafahan'ny olom-pirenena maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'izao zava-misy izao, hoy ny SEFAFI. Miantso ny fitondrana, handinika indray ny fanapahan-kevitra izy ireo...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco