♦ Marihana androany ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Hovoizina mandritra ny fankalazana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fizakan-tenan'ny vehivavy. Mifanotrona amin'ny vehivavy any Antsiranana ny vadin'ny Filoham-pirenena, Mialy Rajoelina... ♦ Nahavita ny tatitra ho an'ny vahoaka ny solombavambahoaka TIM voafidy tao Antananarivo Renivohitra, tamin'ny sabotsy lasa teo...
Alatsinainy 8 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosortana'i Masindahy Lioka 4, 24-30
Alahady 7 marsa 2021 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 13-25
Mila vehivavy salama sy matanja-tsaina ny ankohonana. Andry iankinan'ny tokantrano sy ny fiaraha-monina ary ny firenena ny vehivavy. Ireo fambara fa mikorontan-tsaina ny vehivavy na misy olana : Kizintina, mitaintaindava, fizana tsy amin'ny antony, tsy fahatsiarovan-tsaina mandalo, tsy fahitan-tory. Ny fandaminana ny fotoana no vahaolana amin'izany miampy ireo sakafo sy fihetsika dia ny fihinanana sakafo misy siramamy, fisotroana rano ary ny fifohana rivotra madio sy ara-dalana...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco