♦ Hitory eny amin'ny fitsarana ny Holafitry ny Vaditany sy ny Mpanao lavanty eto Madagasikara, manoloana ny herisetra nandratrana ny naman'izy ireo. Nisy androany ny fanambarana nataon'izy ireo, mikasika ity raharaha ity... ♦ Efa mihena dia mihena ny isan'ireo tranga vaovao Coronavirus eto amintsika. 63 no isan'ireo voamarina fa mitondra izany, raha ny tarehimarika nivoaka androany. Nisy olona 8 indray anefa matin'ity valan'aretina ity...
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe: "Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo, fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko".
♦ Nanazava ny fizaràna asa eo amin'ny Filohan'ny repoblika sy ny Praiministra, ny lehiben'ny governemanta Ntsay Christian, tsy misy olona ny fifandraisana eo amin'izy ireo... ♦ Nody mandry teo amin'ny faha-60 taonany ny Radavidson Andriamparany B, Ministra teo aloha nandritra ny fitondrana Ravalomanana... ♦ Ho tonga ara-potoana eny amin'ireo ivon-teoram-panadinana manerana ny nosy ny taratasim-panadinana rehetra ho an'ny CEPE sy ny BEPC...
♦ Mbola mikatona ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy. Mitohy kosa ny fihibohana ny sabotsy alahady ho an'ny distrika efatra eto Analamanga... ♦ Fivoaran'ny valanaretina Covid-19, ny sabotsy 15 mey lasa teo : Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, 136 tamin'ny filiana 907 natao ; 150 ireo sitrana ary 9 ireo lavon'ny aretina...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco