Sabotsy 21 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-40 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

♦ 20 novambra : Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny ankizy. Maro ny hetsika nanamarihana izany teo amintsika nataon'ny fikambanana sy ny sekoly samihafa... ♦ Kendrena hisondrotra 4,5% ny harinkarem-pirenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitra ao amin'ny lalàna mihefy ny teti-bolam-panjakàna 2021... ♦ Efa mihatsara ankehitriny ny toe-pahasalaman'i Mgr Bassetti, evekan'i Pérouse sady filohan'ny fivondronamben'ny eveka Italiana, izay narary mafin'ny Covid-19... 

Zava-dehibe amin'ny fivoaran'ny zaza sy ny ankizy ary adidin'ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ny miresaka mikasika ny mahalahy sy mahavavy ary ny fananahana amin'izy ireo ho fahalalana ho azy sy ho fiarovana amin'ny fanararaotana ara-nofo samihafa. Amin'ny alalan'ny fanontaniana hapetrany no hanomezana azy ireo ny fahalalana sahaza araka ny taonany amim-pifandraisana tsara sy mahatoky. Tsy misaraka amin'izany adidy izany ny fanahara-maso sy fandraisana an-tanana, ara-pahasalamana azy ireo raha ilaina... 

Zoma 20 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 45-48 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...