Raha mampianatra ny Eveka dia miray mandrakariva amin'ny Papa amin'izany fampianarany izany izy ary mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana sy ny Eglizy. Ny Kristianina dia manaja izay fampianarana avy amin'ny Eglizy, miray saina sy miombon-kevitra. Tsy maintsy raisin'ny Kristianina amin'ny fo sy ny saina miaiky tanteraka ny fampianaran'ny Eveka mitondra azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

13 jona — I Masindahy Antoine de Padoue dia i Fernando Martins de Bulhões no tena anarany. Fa ny anarana hoe Antoine dia tamin’izy tao amin’ny tranon-drelijiozy. Teraka tamin’ny taona 1915 tao Lisbonne i Antoine. Miaramila sady andriana moa ny rainy, taranak’i Charlemagne.

• Nafampana sahady ny fifanazavana teny Tsimbazaza teo amin'ireo Solombavam-bahoaka sy ireo mpikamban'ny Governemanta, androany. Nateti-piavy tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny depiote ny delestazy, ny tsy fandriam-pahalemana... • Mampanahy amin'ny hanomezana ny Jirama ho an'ny sehatra tsy miankina ny nanovana ny sata mifehy ity orinasam-panjakana ity, hoy ny Sendikan'ny mpiasan'ny angovo sy rano malagasy... • Nomarihina androany ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza. Tsy tokony hisy ankizy, na iray aza, hiasa sahady eto Madagasikara, hoy ny Vovonan'ireo fiarahamonim-pirenena miaro azy ireo eto amintsika...

♦ Miaka-dapa eny Tsimbazaza nanomboka androany ny mpikamban'ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian. Fotoana ahafahan'ny solombavambahoaka mametraka fanontaniana amin'ny fahefahana mpanatanteraka momba ny fizotry ny raharaham-pirenena... ♦ Mahatratra 100 tapitrisa Dôlara isam-bolana ny vola nomerika mivezivezy eto Madagasikara. Tsy maintsy amafisina ny fahamalinana manoloana izany hoy ny Tale Jeneralin'ny SAMIFIN... ♦ Nanomboka androany etsy amin'ny CCI Ivato ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahan-tany (ITM) andriany faha-11 sy ny Foara Iraisam-Pirenena ho an'ny Asa-tanana andiany faharoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...